<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Atreho ny mpanomponao FFPM326</title>
<lyrics>[V1]
 Atreho ny mpanomponao
 Izay mivory eto izao
 Ka efa nametrahanao
 Adidy masina hatao.

[V2]
 Hianao, izay Tompon'ezaka
 Nifidy anay tsy mendrika
 Ka efa nampirisika
 Handroso tsy hiherika.

[V3]
 'Ndrisy mpanompo tsy manoa
 Izahay izay nofidinao.
 Mpiasa tsy mba mahasoa,
 Tompo ô ! mifona Aminao.

[V4]
 Na dia kely aza izao
 No azonay atolotra,
 Aoka re mba ho sitrakao
 Haroso ho fanatitra.

[V5]
 Dia saotra no omena Anao
 Ka raiso re, ry Tomponay
 Ny fonay koa onenonao
 Sy anjakao mandrakizay.</lyrics>
<hymn_number>326</hymn_number>
<author>A. Randrianjafy</author>
</song>